Mitombo an-daharana ireo mpanohana an’i Neny Lalao Ravalomanana, kandida naroson’ny antoko Tiako I Madagasikara ho Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra
. Hatramin’ireo nisintaka tao amin’ny antoko taloha aza tapa-kevitra niverina ary mandeha amin’ny nahim-pony manao fampielezan-kevitra mitety Boriboritany hampandany azy sy ireo mpanolotsaina iray lisitra aminy. “Resy lahatra aho fa i Neny Lalao Ravalomanana irery hany no tena azo itokisana fa hahavita hanarina indray an'Antananarivo, satria mahalàla tsara ny filan'ity renivohitra ity amin’ny lafiny rehetra izy”, hoy Rakotomalala Yvon, filohan’ny FIFAR 44 izay fikambanan’ireo Sefo Fokontany ao amin’ny Boriborintany I. Nanamafy koa i Rakotomalala Yvon fa "tsy misy zanaka mahafohy Reny izany" indrindra amintsika Malagasy.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.