Manomboka tsy marisika indray hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 7 novambra 2018 ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina sy ny antoko HVM.
Tsy hay raha efa tsapany fa tsy mamim-bahoaka intsony. Tsikaritra fa manomboka indray ny antsojay atao amin`ireo mpifanandrina amin`ny fifidianana ary hita fa matahotra mihitsy. Tsy tambo isaina intsony ny olana sedrain`ny firenena toy ny fakana an-keriny, halatra taova, vaky fasana, tsy fandriampahalemana… Sesilany mihitsy ireo tranga ireo tato ho ato ary niteraka resa-be teo anivon`ny fiarahamonina. Tsy fantatra intsony raha paikady fanakorontanana saim-bahoaka tahaka ilay hoe bois rond misy fantsika sy ny mpaka fo na mpaka ra tamin’ny taona 80 no mitranga ankehitriny. Fanampin`izay, tsy voavaly hatramin`izao ireo fitakiana sendikaly maro samihafa kanefa azo vahana tokoa izay mety ho sakana. Izao indray dia hidina an-dalambe ny Hetsika fanorenana ifotony (HFI), hanohitra ny fanatanterahana ny fifidianana amin`ity taona ity, ny talata ho avy izao eny amin`ny kianjan`ny 13 mey. Miharihary tokoa ny fahalemen`ny fanjakana sy fivakivakisan`ny fanjakana, izay midika fa malemy ny fanjakana ara-politika sy ara-drafitra. Raha jerena akaiky, sao ketrika hanemorana fifidianana izany ? Ohatra, ny tsy fandriampahalemana, tsy hay intsony izay tena ao ambadika izany satria raha atao fijery ara-politika, mety misy mpamatsy vola amin`ny antoko politika no miteraka ireny mba tsy hisian’ny fitoniana eto Madagasikara. Ny “kidnapping” indray dia nisesy mihitsy ary nanomboka nampiaka-peo ny masoivoho vahiny ka ahiana hiteraka “incident diplomatique” mihitsy. Mbola mametra-panontaniana foana ny tetiandrom-pifidianana fahatelo natolotry ny CENI. Azo hahemotra ny fifidianana, noho ny antony voalazan`ny andl. 4 amin`ny and. 47 amin`ny lalàmpanorenana ka ny daty 29 mey no hanaovana ny fifidianana fihodinana voalohany. Marihana fa io and.47 io dia efa niteraka adihevitra be tamin`ny taon-dasa satria mahakasika ny fe-potoana fiasan`ny filoha am-perinasa ary nikasa hanitsy an`io andininy io ny fitondrana. Tohivakana ireo karazana pi-maso amin`ny sehatra iraisam-pirenena ny fitondrana mba hanambitamby fa aleo hahemotra ny fifidianana. Ny azo antoka, tsy vonona amin`ny fifidianana ny filoham-pirenena sy ny antoko HVM ary mbola mikasa hanitatra ny fe-potoam-piasana hatrany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.