Politique

Fanirisoa Ernaivo Kandida filoha ihany koa ?


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Mangataka an-dRtoa Fanirisoa Ernaivo hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy izao ny Antoko ZAnak’i MAdagasikara (ZAMA),

 

 

mpikambana ao amin’ny Ivo Iraisam-pirenena miahy ny tontolo iainana sy mitsinjo ny fivoarana sahaza ho amin’ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Ho azy ireo mantsy dia Rtoa Fanirisoa Ernaivo no mahafeno ny fepetra rehetra ilaina sady  sahy mametraka sy mitaky ny fitantanana madio sy mangarahara hitondra fanatsarana eto amin’ny firenentsika raha ampiana sy tohanana. Manainga ny hafa izay miombon-kevitra aminy  ny antoko ZAMA mba hifanome tanana aminy ho fiarovana ny tombontsoan’ny maro an’isa. Nomarihin’Atoa Rija Rakotozanajaky, filoha nasionalin’ny antoko ZAMA ity moa fa nandritra ny 58 taona dia  tsy  nitsahatra ny nitotongana sy mikorosofahana ny fari-piainan'ny Malagasy noho ny fanaovan’ireo mpitondra na ny akaiky azy ampihimamba ny harem-pirenentsika izay miharitra tanteraka. Tsy misy mandroso vahaolana misy fiatraikany amin’ny fiainam-bahoaka maro an'isa mihitsy anefa ny tsirairay, hoy hatrany izy  fa dia toa fanesoana ny vahoaka Malagasy no misy satria fampiderana fa manana ny amby ampy avokoa izy ireo manoloana ny vahoaka maro izay mitrongy vao homana. Mila olom-baovao tanteraka ny firenentsika ho an’ny antoko ZAMA ihany.

 

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT