Tsy rony tsy ventiny teo, dia raikitra ny karazana fanenjehana ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa sy io andrim-panjakana tantaniny io, voizin’ny gazety sy haino aman-jery mpanohana fitondrana amin’izao fotoana.
Tena voazimbazimba tanteraka ny HCC sy ny filohany, izay azo ambara fa nikipy teo anatrehan’ny lalàmpanorenana, ka niaro ny fanjakana HVM ka voasokajy ho loharanon’ny fikorontanana eto amin’ny firenena. Vao ny 9 jolay teo i Jean Eric Rakotoarisoa no nilaza, fa ny tsy mitombina ary tena tsy lojika ny ahiahy hoe hitanila amin’ny governemanta ny HCC rehefa mandeha ny fifidianana. Tsy izahay namoaka fanapahan-kevitra mba hahafahana miroso mankany amin’ny fitoniana indray no hanakorontana eto, hoy izy. Azo adika ho fiarovan-tena tamin’ny didy mitondra ny laharana 18-HCC/D3 io, izay tsy nanesorana ny filoham-pirenena tamin’ny toerany na nekena izao aza fa tsy nanaja ny andininy faha-167 ao anatin’ny lalàmpanorenana noho ny tsy fahatafatsanganana ny Fitsarana Tampony na ny HCJ, ka azo atao ny manala azy amin’ny toerany. Neken’ny HCC ny didy, saingy narovana an-kolaka i Hery Rajaonarimampianina. Vita tokoa angamba ny nilana an’i Jean Eric Rakotoarisoa sy ny ekipany ao amin’ny HCC, dia mandeha ny tsindry bokotra isan-karazany. Sinema sa tena mitombina ny fitakiana voizina amin’ny orinasan-tseraseran’ny mpitondra ny tokony handravana ny HCC sy hanadihadiana lalina an’i Jean Eric Rakotoarisoa, filohany ? Ny azo antoka aloha, dia ny fitondrana am-perinasa no tena manana tombotsoa amin’ny fihemoran’ny fifidianana satria mbola afaka ny hihinana sy hangorona izay azo haorina faramparany, ary ny fikorontanana eo amin’io andrim-panjakana io dia mety tafiditra ao amin’ny paikady mizotra any amin’izany. Ireo ambara fa mpanohitra mivohy ny tsy tokony hirosoana amin’ny fifidianana rahateo aza moa, dia voalaza fa misy ny vatsian’ny fitondrana vola.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.