Teny amin’ny antenimiera, dia efa niresaka sy samy resy lahatra ny TIM sy ny MAPAR satria sarotra ny nankeny amin’ny kianjan’ny 13 mey.
Ny dikan’izany, dia miaraka isika satria izahay parelamantera efa nifamela ka miaraka manao ity tolona ity. Rehefa mandeha kosa ny fifidianana dia samy manana ny hanitra ho azy isika, ka any no mampiseho ny maha izy azy ny tsirairay. Eny an-kianja kosa rehefa misy ny tsy fitovian-kevitra, dia aza alefa lavitra fa manjary simba ny tolontsika, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa mantsy ireo namany sy ny vahoaka omaly. Hitohy anio ny tolona eny an-kianja, ary hotanterahina anio ihany koa ny diabe mihazo ny HCC Ambohidahy, izay tsy natao indray omaly satria tsy niasa fa nanakaton-trano ny teny Ambohidahy vao naheno fa ho avy ny depiote sy ny vahoaka. Mandeha ny resaka fa rehefa tafatsangana eo ny Governementa dia hijanona ny tolona, ka ny valiny dia “tsia Tompoko”, tsy ho vita ny tolona raha tsy mbola mivaly ny fangatahana rehetra na dia tafatsangana aza ny governementa, hoy ny eny an-kianja. Mbola miziriziry hitazona minisitera marobe ny fitondrana kanefa tsy nanana depiote na dia iray akory aza ny HVM aza araka'iny didy navokan'ny HCC iny. Mandeha rahateo ny resaka fa mbola hahazo toerana betsaka ao anatin’io governemanta Ntsay Christian io ny HVM. Raha ny lalàna hatrany kosa no hiverenana, dia mazava ny ilay andinin’ny faha-54 ao anatin’ny lalàmpanoneranana narahin’ny fandikana sy fanazavan’ny HCC mitondra ny lahararana 01-HCC/AV tamin’ny 17 febroary 2014, ary didim-pitsarana momba ny valim-pifidianana depiote laharana 11-CES/AR.14 ny 06 febroary 2014. Raha vao tsy manaraka an'iny didy izy iny dia azo hatao tsara indray ny mangataka ny fangataham-panalana na “motion de déchéances” ho an’ny filoha raha ny fanambaran’ny eny an-kianja. Manahirana ny toe-draharaha hoy, hoy izy, fa raha tena mitady fitoniana ny filoha sy ny ekipany dia mihaino ny fitakiana eny an-kianja. Betsaka ny taraina sy tsindry hazolena mahazo anareo nitolona, mijoro miaraka aminareo izahay, hoy ny fampanantenan’ny ny filoha lefitry ny antenimierampirenena. Ahiana tsy ho tafatsangana amin’ity herinandro ity ny governemanta noho ny fifandroritana eo amin’ny toerana, indrindra fa ny fanomezana ny minisitera misahana ny fiandrianam-pirenena ho an-dRajaonarimampianina ny fanolorana ireo minisitra. Mitohy ny tantara…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.