Politique

Fandaminana anaty minisitera Hiteraka fitarazohan’ny asa fampandrosoana


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Mahakely finoana ny toe-draharaha misy eto Madagasikara. Raha izao mantsy no mitohy dia mbola ho lavitry ny afo ny kitay. Tena mbola ho ela vao ho tratra ny tanjona ho fampandrosoana ity nosy ity.

 

Ny zava-misy amin’izao dia lany andro am-panaingana takotra tahaka ny boka mangala-pihinana ny any anaty minisitera any. Tsy maintsy mbola mandeha amin’ny fandaminana ela ary misy aza moa mbola variana manolosolo ny hatao  tananankavanana. Araka izany dia sarotra sy taraiky ny fanatanterahana ireo asa goavana mivaingana izay miandry. Izany anefa dia manome sary ratsy hatrany an’i Madagasikara ary raha mbola mitohy izao savorovoro misy izao dia tsy hiverina amin’ny laoniny mihitsy ny asa fandraharahana. Ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpamatsy vola efa malaina tanteraka noho ny zava-misy. Ireo sehatra iainan’ny toekarena tahaka ny fadintseranana sy ny hetra aza moa tsy milamina kanefa ireo no mamahana ny kitapom-bolam-panjakana. Mihitsoka tanteraka noho izany ny asa ary mainka mikatso ny fanatanterahana ny fifidianana. Raha mbola mitohy izao zava-misy izao dia hilentika ka ho sempotra sy kendaroroka ary  tsy hivoaka intsony  ny toekarena Malagasy. Mbola hiandry 10 taona indray vao afaka miandrandra fampandrosoana marina ary hizotra mankany amin’ny fahantrana mangitsokitsoka hatrany ity firenena ity.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT