Politique

Fanatontosana fifidianana Vonon-kanampy ny Britanika sy ny Afrikanina


  • Alarobia 20 Jona 2018

Sesilany ny fitsidihan’ny solontenan’ireo firenena vahiny ny praiminisitra vaovao Ntsay Christian, ka ny ambasadaoron’i Grande Bretagne, Philip David Boyle, sy ny solontena manokan’ny filohan’ny vaomieran’ny vondrona Afrikanina (UA),

Ramatoa Hawa Ahmed Youssouf,  no nitsidika tamim-pomba fifanajana azy omaly. Samy nanasongadina ny ho fanamafisana orina ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta vaovao. Ho an’i Philip David Boyle, dia nahafahany nahafantatra bebe kokoa ireo fikasana sy fandaharan’asa tian’ny lehiben’ny governemanta hotratrarina ny fihaonana voalohany, indrindra fa mikasika ny fanomanana fifidianana sy ny ady amin’ny kolikoly, ary hotohizana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara aorian’ny fahavitan’ny fifidianana. Fotoana ihany koa ny fihaonana omaly, nahafahan’ny solontena manokan’ny filohan’ny vaomieran’ny vondrona Afrikanina naneho ny fankasitrahany ny fanendrena ny praiminisitra, ary nampahatsiahy izy fa mbola vonona hatrany hanohana ny vahoaka sy ny firenena Malagasy ny Vondrona Afrikanina. Mikasika ny fifidianana manokana dia nambara fa misokatra amintsika ireo endrika tantsoroka atolotry ny vondrona na ara-bola na ara-teknika amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara. Tokony hiraisan’ny mpisehatra ara-politika rehetra tanjona, mba hahatontosa an-tsakany sy an-davany ny fifidianana, ka ny voalohany ilaina amin’izany dia ny fametrahana ny fitoniana. Hahatafavoaka baolina amin’io fametrahana fitoniana io ve ny praiminisitra vaovao ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT