Efa mazava tsara ny voka-pifidianana ho an’Antananarivo Renivohitra ary na misy aza ny fiovana kely dia tsy hanova zavatra betsaka intsony izany fa efa ben’ny tanŕna Rtoa Lalao Ravalomanana. Ny fitiavana an’Antananarivo sy ny hetaheta hanampy ireo mponina ao aminy mba hanana fiainana mety sy tsara kokoa no nanosika an’i Lalao Ravalomanana ho kandida fa tsy hoe taitaitra tampoka dia niroboka.
Misy foana ny vahaolana
Efa nandinika lalina ny zava-misy, ny olana tsy maintsy atrehana ary ny vahaolana haroso ho amin’izany i Neny vao niroboka. Io no antony nandehanany tany Alemaina nijery ny fomba fanaon’ny olona any amin’ny fitantanana kaominina sy ny fanamboarana fotodrafitrasa ary ny fikirakirana ny fako. Niresaka tamina mpiara-miasa ihany koa izy tany ary araka ny nambarany tany Paris tamin’ny 26 jona raha nihaona tamin’ireo Malagasy monina any izy dia ho avy hanampy antsika ry zareo Alemana, na ara-kevitra io, na ara-bola na ara-pitaovana. Nahitany tranga maro sy nianarany zavatra misimisy ihany koa ny enin-taona nipetrahany tany Afrika atsimo izay efa tena lasa lavitra amin’ny resaka fandaminana tanàna. Azo atao tsara eto Antananarivo, eny na manerana an’i Madagasikara aza izany, hoy i Neny. Asa goavana anisan’ny miandry ny ben’ny tanàna vaovao ny fanamboaran-dalana satria dia potika ny 85%-n’ny lalana eto an-drenivohitra, maimbo ihany koa ny tanàna noho ny fako misavovona etsy sy eroa satria tsy ampy ny tetibolan’ny kaominina ary tsy misy ihany koa ny tetikasa mazava sy matotra momba ny fako fa dia vahaolana vonjy tavan’andro foana no natao hatramin’izay. Manana fandaharanasa matotra ho amin’izany i Lalao Ravalomanana ary efa nilaza fa tsy dia be resaka izy fa tonga dia miasa, ka ny fotoana handraisany toerana no ela dia irosoana ny asa satria tsy maintsy arenina haingana Antananarivo ary omena fiainana mendrika ny mponina ao aminy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.