Politique

Fanaovana tolona Tsy hilana tambiny


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Ny tolona raha ny tokony ho izy, dia fijoroana sy fandraisana andraikitra amin’ny maha olom-pirenena fa tsy hoe tsy maintsy mahazo seza foana rehefa avy eo.

 Io no fampisehoan’ny vahoaka ny fahefany ankoatra ny any amin’ny fifidianana. Ho an’ny mpanao politika sasany kosa io, dia toa zary fotoam-panararaotana mba hahazoana seza sy fahefana. Mirangorango avokoa ny mamba noana mangetaheta fahefana, fa mba mila jerena sy omen-danja rehefa mba tonga ny fotoana tokony hifandaminana sy hamahana ny krizy. Zary voizina ny hoe: mba samy te hanasoa ny firenena, ka tsy tokony hokobonkobonina samirery ny fikaroham-bahaolana, saingy ny tanjona dia mba hiditra ao anaty fahefana satria malemy sy tsy ampy hery any anaty fifidianana. Eto amintsika rahateo amin’ny ankampobeny, dia voavoly ao an-tsain’ny mpanao politika ny hoe ny fahazoana fahafena dia làlana mora indrindra hahafahana mangoron-karena, ka mety ho teraka ihany koa avy eo ny hoe izahay no mamono ny voay dia ny hafa no miravaka vanginy. Ny vahoaka ihany koa anefa etsy andaniny, dia zary manantena valiny eo noho eo amin’ny tolona atao, ka zary fahadisoam-panantenana no tovoziny rehefa izay tsy noheveriny no tanteraka eo. Tena mbola lesoka be ny lalan-tsaina hoenti-mitolona amin’ny ankampobeny, na efa somary hita taratra ihany aza ny fananana ny tarigetra vonona hiroso amin’ny fanovana. Miara-miainga io ary mila mahay mifampihaino sy mifampatoky ny tarihina sy ny mpitarika raha te hahita vokatra, ka ny tombontsoa iombonana no hapetraka ho laharam-pahamehana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT