Taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, izay nitsikera mafy ny antoko HVM dia naneho ny heviny mikasika ny fahitany izany ny loholona, Amido, izay sady mpikambana eo anivon’ny antoko Hery vaovao ho an’I Madagasikara no filoha lefitry ny lapa maitso.
Fanambarana politika ireny, hoy ny tenany, ka tsy voatery hitombina. Tekinisianina no nahafantarana azy tao amin’ny minisiteran’ny fanabeazana hatramin’izay ary lasa mpanao politika izy izao. Inona no antony tsy nilazany ireny sy nametrahany fialana mialoha fony mbola teo amin’ny fitondrana ? Tsy te hilaza ny voambolana mahalaza izany aho fa ianareo mahafantatra azy. Ny antoko HVM dia hanaporofo fa miaina ny antoko mandritry ny kongresy nasionaly hotontosaina any Antsiranana ny 10 ka hatramin’ny 11 aogositra izao ary malalaka amin’ny fanehoan-kevitra rehetra. Hanana kandida izahay amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary ho anay dia kandida natoraly ny filoha ankehitriny ary vonona hifaninana amin’ny minisitra teo aloha koa ny antoko, raha handray anjara izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.