Na oviana na oviana, na aiza na aiza, indrindra fa aty amin’ny tany tsy mitony tahaka antsika dia tsy hisy ho afa-po amin’ny zava-misy ao anatin’ny fireneny.
Samy hahita hokianina amin’ny rafitra sy fitantanana miainga eo avokoa ny rehetra raha tsy milamina ny fampihavanana sy fifampiresahana ary fifanarahana tena izy. Tsy azo ihodivirana ireo saingy tsy tena mazoto ny olona. Malaza ankehitriny ny resaka fanorenana ifotony. Ny tsikaritra tamin’ny fivoriambe notontosain’ireo hery politika an-jatony tetsy amin’ny Live Hotel Andavamamba omaly anefa dia samy manana ny fiheverany ny atao hoe fanorenana ifotony ny rehetra.
Eliana Bezaza, sekretera nasionalin’ny PSD : « Manta ara-bakiteny aminay io governemanta vaovao io. Sambany no nisy minisitra hamindra fahefana dia nosakanana ny maraina ary tsy nahavita raha tsy nanao latsaka alina. Raha izao dia vahaolana paracetamol ihany ny fifidianana fa mila fanorenana ifotony isika. Izao no fotoana tokony hanaovana lalàmpanorenana vaovao. »
Norbert Razanakoto, Antoko VHT : « Tsy vahaolana petatoko no ilaina. Iaraha-mahita izao fa ny eny amin’ny 13 mey dia misy mijanona eny an-kianja ary misy ny tafani-dapa. Tafita araka ny tokony ho izy ve ny tolona ? Ny fiaraha-mientan’ny Malagasy hirona any amin’ny fanorenana ifotony izao no ilaina. Hanorina Madagasikara mandroso sy mampandroso ny rehetra no atao. Raha tsy mitandrina isika dia ho isan-taona ny krizy eto. Isaky ny 10 taona teo aloha dia teo lasa 7 taona. »
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.