Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy mahavita azy ny FFM


  • Zoma 10 Jolay 2015

Notapahan’ny filan-kevitry ny minisitra natao ny alarobia 8 jolay lasa teo fa hatsangana ny komity manokana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika mba handinika ny fanitsiana ny rijan-teny mifehy ny filankevitry ny fampihavanana malagasy na ny FFM.

 

Ity andrim-panjakana iray ity moa no tena tokony hitarika sy hikarakara ny fampihavanam-irenena, araka ny anarany kanefa niaraha-nahita fa hatreto aloha dia tsy nisy ny asa tena nivaingana vitany na dia teo aza ny fitsidiham-paritra sy fakan-kevitra tetsy sy teroa. Olana sy fifandirana teo amin’ny samy mpikambana indray aza no nisy tao amin’ny FFM. Nisy fotoana nandrenesana ihany koa ny fitakiana tombontsoa avy amin’ny mpikambana sasany ao amin’ity andrim-panjakana ity, ary ny tena loza aza dia nisy mpikambana ao amin’ny FFM nohadihadiana noho ny resaka kolikoly. Tsy fantatra moa izay niafaran’io raharaha io hatramin’izao. Ireo aloha no zavatra fantatra fa tsy hain’ny hafa. Ny azo antoka dia tsy nahavita azy, tsy nahavita ny asa nampiandraiketana azy ny filankevitry ny fampihavanana malagasy ka misy ny fanamboarana tsy maintsy atao, ka izay no nahatonga ny fikitihana ny rijan-teny momba azy notapahan’ny filankevitry ny minisitra farany teo io. Tsy mbola nisy ny tetiandro mazava tsara hanaovana ireo dingana tokony harahana rehetra amin’ny fampihavanana navoakan’ny FFM. Fantatra fa manana fahasahiranana ara-bola ihany koa ity rafitra iray ity ary tsapa ho matoritory fa tsy mikaroka ny vahaolana ho amin’izany ireo mpikambana ao anatiny. Ny tena raharaha dia maro be ny olom-pirenena tsotra tsy mahafantatra akory ny dikan’ny hoe FFM sy ny antom-pisiany.



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT