Raha ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana, dia efa andrim-panjakana iray manana ny tetibolany mihitsy ny Filankevitra momba ny fampihavanana na ny CFM, ary mandray karama tsy tapaka ireo olona voafidy sy notendrena ho mpikambana ao anatin’io ka tsy tokony ho any amin’ireo lafiny ireo velively no sakana.
Ny CFM mihitsy ve no angady tsy mahatapak’ahitra sa ny mpanao politika no sarotra hampihavanina ? Niaraha-nahita, ohatra, ny gidragidra teny amin’ny CCI Ivato ny 01 jona rehefa nisy ny nambara fa fehin-kevitra navoaka. Nifandramatra tamin’ireo mpizaika izay tsy voafehiny hatramin’ny mpikamban’ny CFM satria tsy voafehy ireo mpanao politika sasany, izay efa toa niomana tamina fehin-kevitra tsy niaraha-nanapaka. Tsy namaly ny antso ihany koa moa ireo filoha teo aloha ankoatra ny amiraly Didier Ratsiraka, raha nikendry ny hanao ilay antsoina hoe: “Rencontre au sommet”. Tsy dia misy tokotaniny intsony ny resaka dinika taorian’iny. Efa mivoaka io ny datim-pifidianana, ka veloma hatreo ve izany ny fifandaminana fa ny fifidianana no mahamaika ? “Resaka olana ara-pifidianana noho ny lalàna no niaingan’ny gidragidra teo ka efa milamina ve ireo ?”, hoy i Maka Alphonse filohan’ny CFM, raha nanontaniana andro vitsy taorian’ny tsy fahombiazana teny Ivato. Mbola misy zavatra tokony halamina, anisan’izany ny hahafahantsika miatrika fifidianana milamina sy madio, hoy izy. Andrasana indray izay hafitsoky ny CFM ato ho ato. Fanontaniana mipetraka ihany koa ny hoe : tofoka sy leo ve ny FFKM sa nankaiza no tsy re tsaika intsony ? Sa kosa miasa mangina na manomana paikady ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.