Politique

FAMPIELEZAN-KEVITRA Namorona karazan'asa madinika maro, anisan'izany ny fanamboarana tee-shirt


  • Talata 21 Jolay 2015

Tafiditra tanteraka ao anatin'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Ben'ny tanana isika izao. Betsaka ireo karazan'asa madinika noforonin'izany raha araka ny fanadihadiana natao toy ny fanamboarana tee-shirt sy casquette misy ny sary sy ny anaran'ny kandida,

 

 

 ny fampanofana fiara mitondra zava-maneno mandehandeha eran'ny tanana..Ho an'itsy voalohany raha araka ny fanadihadiana natao tetsy Ankadimbahoaka,ivon-toerana iray mandray kaomandina tee-shirt sy satroka dia tena namorona asa marobe ho azy sy ny manodidina azy tokoa ny fisian'izany. Raha tsy mihoatra ny 30 isa isan'andro mantsy ny kaomandina tee-shirt azon'izy ireo teo aloha dia efa an-jatony izany ankehitriny, hiarahany miasa amina mpanjaitra  manodidinany folo, ny mpandidy lamba manodidina ny folo ihany koa. Toraka izany ireo olona mpanala ny tain-kofehy sy ny  mpitondra ny tee-shirt hasiana sary any amin'ny cyber izay sandaina 800 Ar isaky ny cm. 6000 Ar no hamarotana ny tee-shirt iray vita aorian'izany, misafidy izay lamba sy loko tiany ny tompony raha 600 Ar kosa ny  manjaitra ny iray . 600 Ar toraka izany ihany koa ny manndidy raha manomboka amin'ny 50 Ar ny manala ny tain-kofehy. Manodidina ny 4.000 Ar eo ho eo ny mason-karenan'ny tee-shirt iray raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. 3.000 Ar kosa ny manamboatra casquette iray tsotra na misy sary miankina amin'ny komandin'ilay olona. Ankoatra ny propagandy moa dia anisan'ny mamorona asa ho an'olona maro ihany koa amin'izao ireo mpanao famadihana sy famoran-jaza mampiasa tee-shirt.

 
Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT