Politique

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana Tsy afa-manoatra ny CENI


  • Alarobia 25 Jolay 2018

Tsy afa-manoatra ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) manoloana ny fanatanterahana ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana raha ny tranga misy amin`izao fotoana, hoy ny filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana.

Efa misy tokoa ireo kandidà no mametraka ny afisy misy ny sarin`izy ireo kanefa tokony ho samy ho tonga saina izy ireo satria ny filoham-pirenena dia raiamandrenin`ny Malagasy. Efa im-betsaka no nisy fampiresahana mahakasika ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny CENI sy ireo olom-pirenena rehetra ho kandidà hilatsaka ho filoham-pirenena dia ao ambanin’ny lalàna daholo. Ny lalàna ihany no mamaritra ny fepetra tokony horaisina eo anatrehan`ny tranga-javatra misy. Notsindriny fa olana tokoa io saingy tsy afaka maka fepetra raha toa ka mangina ny lalàna. Tompon’andraikitra ireo milaza ho kandidà ireo. Hanasazy ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana, raha misy ny tsy fanarahan-dalàna ao anatin`ny fampielezan-kevitra. Ny lalàna mifehy ny fifidianana anefa dia tsy mamaritra mazava izay sazy izay ho an`ny fampielezan-kevitra. Nohamafisiny fa miainga amin`ny lalàna ny CENI amin`ny fepetra raisina ary tsy afaka mamorona. Teboka telo no navoitran`i Hery Rakotomanana nandritra ny lahateniny. Voalohany, raha tsy mipetraka ny etika sy ny fanajana eo amin`ny olona ho lohany eto amin`ny firenena ity dia ho aiza isika ? Faharoa, misy ezaka mba hampitambatra an`ireo kandidà mba hanao sonia fifanarahana hifehezana ny propagandy. Fahatelo, any amin`ny sehatry ny propagandy dia efa mazava ny zavatra tian`ny lalàna ambara. Ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana no sarotra no mamaritra azy. Manasazy ny CENI raha ohatra misy trangan-javatra tsy mifanaraka amin`ny lalàna. Anisan’ny zava-dehibe napetraky ny CENI ny fisokafana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana mba hahatongavana amina fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra. Ao anatin’izay dia nanatanteraka fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ny CENI sy KMF/CNOE omaly 24 jolay 2018 teny Nanisana. Nanambara ny heviny momba ny fanaraha-mason`ny fifidianana mba hisian`ny mangarahara. ny filohan`ny KMF-CNOE, Andriamalazaray Andoniaina. Anisan`ny napetrak’izy ireo ny fisian`ny etika mba hisian`ny fitoniana sy ny fandriampahalemana mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana sady tsy maintsy hanana solontena ao anatin`ny biraom-pifidianana ny KMF CNOE. Tanjona ihany koa ny hanentanana ny tsirairay amin`ny latsa-bato.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT