Tena manomboka miseho lany sahady amin’izao andro vitsivitsy monja nanombohan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna izany fampandriana adrisa sy fampanantenana poakaty ataon’ireo kandidà sasantsany raha izay heno tamin’ny zava-nolazain’izy ireo no asian-teny
. Nisy nanambara mantsy ny faran’ny herinandro teo ny iray tamin’ireo kandidà ben’ny tanàna eto Antananarivo-Renivohitra fa tsy ho ekeny intsony ny fakan’ny vahiny tanim-panjakana ary nampanantenainy mihitsy ireo mpivarotra eo amin’ny tsena Bagdad etsy amin’ny 67 ha fa ho ataony izany hakana izany tany izany ho hampiasain’ireo mpivarotra ireo. Eo ilay fampanantenana hafahafa satria tanin’olona efa « titré sy borné » mazava ve dia amin’ny fomba ahoana ny handidianao ny fitsarana hamindra izany tsotra izao amin’olon-kafa ? Raha tanim-panjaka nisy nanodinkodina nosoratana samy irery tamin’ny anaran’ny olon-tokana indray mantsy dia mba zavatra hafa izay fa raha tanin’olona voasoratra ara-dalàna aminy izao no ho kitikitihana dia mazava fa fampandriana adrisa vahoaka no anaran’izany ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.