Politique

Fampielezan-kevitra Mandeha sahady ny fampandriana adrisa


  • Talata 21 Jolay 2015

Miseho lany sahady amin’izao andro vitsivitsy nanombohan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ho ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna izany fampandriana adrisa sy fampanantenana poakaty ataon’ireo kandidà sasantsany.

 

 Nisy nanambara mantsy kandidà ben’ny tanàna eto Antananarivo-Renivohitra mantsy nilaza fa tsy ho ekeny intsony ny fakan’ny vahiny tanim-panjakana ary nampanantenainy mihitsy ireo mpivarotra eo amin’ny tsena Bagdad etsy amin’ny 67 ha fa ho ataony izany hakana izany tany izany ho hampiasain’ireo mpivarotra ireo. Hafahafa ihany ilay resaka satria tanin’olona efa « titré sy borné » mazava ve dia amin’ny fomba ahoana ny handidianao ny fitsarana hamindra izany tsotra izao amin’olon-kafa ? Raha tanim-panjaka nisy nanodinkodina nosoratana samy irery tamin’ny anaran’ny olon-tokana indray mantsy dia mba zavatra hafa ,fa raha tanin’olona voasoratra ara-dalàna aminy izao no ho kitikitihana dia mazava fa fampandriana adrisa vahoaka no anaran’izany ?

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT