Politique

Fampielezan-kevitra Mampiasa teny mampanonofy ny mpanao politika


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Nivoaka ny tetiandrom-pifidianana. Efa mipoitra tsikelikely ireo mikasa hirotsaka ary hanao tohivakana ny fanambarana mandra-pahatonga ny tena fotoana.

Ny sasany amin`ireo mpirotsaka dia mahalala tsara fa tsy ho lany mihitsy, kanefa mirotsaka ihany. Ny antony dia eo no mba fotoana ahafahany maneho ny heviny sy miandrandra isam-bato hoenti-miady varotra amin’izay tena mandresy eo, sitrany ahay mba mahazo seza, na dia iray fotsiny aza. Mampiasa teny mampanonofy ny mpanao politika toy ny hoe “ataontsika izatsy , alaintsika izaroa”. Somary hafakely mantsy ny fanaovana politika eto Afrika toy ny fampiasam-bola. Misy ihany koa ireo vahiny na teratany manao karazana fampiasam-bola amin`ny fifidianana. Am-bolana aty aloha dia efa mandeha ny kajikajy sy ny ketriketrika rehetra ny amin’ireo kandidà tsara toerana ka mety ho lany. Ireo kandidà ihany koa miezaka mandresy lahatra ary manao izay hampandry saina iretsy mpamatsy vola satria mila volabe ny firotsahan-kofidiana. Tsy dia miomana amin’izay anefa ireo antoko politika, satria na dia izay latsakemboka voafaritra aza tsy voaloan’ny mpikambana akory. Tsy maintsy misy ny fifanarahana mazava ny amin’izay seha-pihariana hanomezana azy ireo tombondahiny rahatrizay satria fampiasam-bola no ataony fa tsy asa fanasoavana velively. Tokony hiverina ny volany miaraka amin’ny tombony ary matetika moa tsy vola fotsiny no alefany avy any, fa eo koa ireo mpanolotsaina, izay manampy amin’ny paikady no manara-maso ny fandaniana. Raha ny eto Madagasikara dia mifandray tendro amin’ireo teratany frantsay manan-draharaha eto no tena sahy miditra amin’ny resaka toy itony. Mahafantatra tsara ny fizotry ny politika eto koa izy ireo sady tsy dia mananosarotra loatra eo amin’ny fanapahan-kevitra hanohana. Mila fitandremana anefa ny resa-bola amin’ny fifidianana, satria tsy vitan’ny mampidi-kizo ny kandidà fotsiny, fa tena mitondra ny firenena any amin’ny lalan-tsarotra sy tery mihitsy. Tsy vitan`ny torapo ny fampandrosoana satria toy ny tany Zimbabwe, naka ny tanin’ny fotsy hoditra ary nizara izany tamin’ny mainty hoditra i Mugabe saingy tsy nampandroso fa vao miha reraka ny firenena. Mila fahamailoana ihany rehefa eo ankatoky ny fifidianana satria paikady fampiasa hakana  ny vaton’ny mpifidy fotsiny io.


Marigny A.                                                          

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT