Politique

Fampielezan-kevitra eny Mahitsy Manohitra ny fanavakavahana ara-pihaviana mitranga ny Fimpa


  • Alarobia 29 Jolay 2015

Miasa fatratra amin’ny fanaraha-maso sahady ny amin’ny fanatanterahana ny fizotran’ny fifidianana kaominaly ho tanterahina amin’ny 31 jolay izao ny FIMPA

 na ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa sampana Mahisy Ambohidratrimo ka manambara fa misy toetra tsy dia mendrika loatra ataon’ny kandidam-panjakana  amin’ny fifidiana ben’ny tanàna eny amin’ity kaominina ity izay milaza any anaty fampielezan-kevitra fa : « tsy homena vahiny ny fitantanana ny kaominina Mahitsy ». Misy mantsy 2 amin’ireo kandidà 5 milatsaka ho fidiana, hoy ry zareo, no olona vaovao eo amin’ny fiaraha-monina no nirotsaka amin’izany fifaninana masina izany. Toherinay Fimpa marindrano izany, hoy ny mpandrindra rezionaly tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, satria an’ny Malagasy rehetra i Mahitsy ary hitoeran’ny foko 18 misy eto amintsika. Manentana ny tompon’andraikim-panjakana ny Fimpa mba hijery akaiky ity tranga ity.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT