Omaly alakamisy 26 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny foiben’ny fandaharanasan’ny firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) tetsy Andraharo ny famelabelarana momba ny tatitry ny vaindohan-draharahan’ny tanjon’ny
fampandrosoana holovain-jafy (ODD) sy ny tatitra nasionaly momba ny fampandrosoana ny maha olona (RNDH) eto Madagasikara. Raha ny mahakasika ny ODD manokana dia mahakely finoana tahaka ny tsy nahatanterahana ny tanjon’ny taona arivo fahatelo (OMD) ihany ny zava-miseho. Tsiahivina mantsy fa tsy nisy tratra mihitsy ny tanjona 8 napetraka tamin’ny taona 2015. Amin’izao fotoana izao dia hita ny fahapotehan’ny sehatra fanabeazana amin’ny grevin’ny mpampianatra izay mitohy lavareny. Tsy lazaina intsony ny akony ratsy amin’ny toekarena ny amin’ny tsy fiasan’ny ampahany na ny rehetra teo anivon’ny fadin-tseranana sy ny hetra. Etsy an-daniny, ny ankabeazan’ny Malagasy dia tsy miraharaha sady tsy mahazo ny votoatin’ireo tetikasa maro ao anatin’ ny ODD sy ny IDH fa dia miaina amin’ny fitadiavana ny arapaka isan’andro. Manoloana izany dia nanambara ny mpahay toekarena eo anivon’ny PNUD, Atoa Adamson Andrianirina Rasolofo fa tsy misy n’inona n’inona azo atao eto raha tsy miainga amin’ny fananana fanjakana tsara tantana. Ny tsy fisian’izany no olana lehibe mahatonga an’i Madagasikara ho taraiky lava tahaka izao. Rehefa tsara tantana ny fanjakana dia mandeha ho azy daholo ireo singa sy lafiny ara-toekarena maro ireo. Any amin’ny fanjakana no tena lakilen’ny fampandrosoana ary tsy mila manantena fanampiana lava amin’ny mpamatsy vola foana. Ilaina ny famatsiam-bola amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa saingy tsy tokony hiankin-doha be loatra ny Malagasy. Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao ary dia mila mahay mijery tsara sy mandinika ny vahoaka Malagasy hoe iza amin’ireo kandida maro milaza ho mahavita azy ireo no hanana ny fahaiza-mitantana tsara ny fanjakana ?
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.