Ny lalàmpanorenana dia milaza mazava fa tokony hisy lalàna hafa mamaritra ny famatsiam-bolan`ny antoko politika. Miainga any amin`io avokoa mantsy ny zavatra rehetra.
Rehefa nivoaka anefa ireo lalàm-pifidianana miisa telo ireo, ny zavatra voakasika ao dia lalàna mahakasika ny fampielezan-kevitra. Ny fomba fitantanana ny fampielezan-kevitra no arahina maso ary hatreo amin`ny telo volana ao aorian’ny fifidianana dia mbola misy foana ny fanaraha-maso ary misy ihany koa ny fanasaziana. Ny olana mitranga anefa dia voalaza fotsiny fa tsy azo atao ny famatsiam-bola avy any ivelany. Ahoana izany ny famatsiam-bola mampiahiahy ? Ahoana ny hahafantarana ny vola entin`ny kandidà na ireo antoko politika hanaovana ilay fampielezan-kevitra ? Tsy voalaza koa ohatrinona ny farafahabetsany azon`ny kandidà ampiasaina ? Roa no antony. Voalohany, ny fampitovian-danja an`ireo kandidà na antoko politika. Faharoa, ny fangaraharana amin`ny fidiram-bola sy fitantanam-bola mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana mahakasika ny kandidà sy ny antoko politika. Hatreto, tsy ampy ny fepetra raisina tao anatin`ilay lalàm-pfidianana mba hahafahana mifehy ny fikirakiram-bola mandritra ny propagandy. Araka izany, tokony ho nohamafisina ny lalàna mahakasika ny famatsiam-bola amin`ireo antoko ary nasiana fetra farany ambony ilay vola azo ampiasaina sady tokony ho nisy kaonty mamaritra ny fomba fitantanana vola hokirakiraina. Sady hatramin`izao tsy mbola fantatra mazava tsara ireo ho kandidà. Ho ara-maso daholo ve ny fepetra resahin`ny lalàm-pifidianana ? Anisan`izany ny fametrahana ny komity hanara-maso sy ny fampianarana ny olona ny lalàna na ireo hilatsaka fifidianana, ireo antoko politika, fiarahamonim-pirenena… Ho vita manontolo ve ireo zavatra voakasika amin`io lalàm-pifidianana io ? Ho vita ve ilay fanaraha-maso araka ny ambaran’ny lalam-pifidianana ? Eo indrindra anefa ny antom-pisian`ny governemanta, izay tarihan`ny praiminisitra Ntsay Louis Christian, izay mila manao ezaka manokana mifototra amin`ny fanatanterahana sy fampanajàna izay voalaza ao anatin`ny lalàna mifehy ny fifidianana ary anisan`ny mitantana izany ihany koa ny CENI. Sarotra ihany no inoana an`izany satria tery dia tery ny fotoana. Afaka efa-bolana ny fihodinana voalohany. Ny azo antenaina dia ny ampahan`ireo fepetra voalaza ireo no ho tanteraka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.