Politique

Famaranana ny Afrobasket Tsy noraharahian’ny mpitondra fanjakana ?


  • Alatsinainy 20 Jolay 2015

Nampanontany tena ny maro omaly teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny tsy nahatazanana tompon’andraikim-panjakana malagasy ambony tonga nanatrika ny famaranana sy fanolorana ny amboara samihafa tamin’ny lalao Afrobasket U 16 zavavavy taona 2015 afa-tsy ny DSF

 

 na ny Talen’ny Sport Federaly, Rtoa Rosa Rakotozafy irery ihany nampiana solombavambahoakan’i Madagasikara tokana. Angamba mety nanahy ny mbola hisian’ny siotsioka hafa mety hahazo azy indray ingahy praiminisitra Jean Ravelonarivo ka naleony tsy nipoitra intsony. Andriamatoa minisitry ny fanatanjahantena am-perinasa moa dia tsy tazana teny amin’ny fifaninanana manontolo mihitsy fa io tale voalaza tery ambony eo ambany fiadidiany io no nisolo vaika ny ankalana isan’andro isan’andro. Nisy feo niely koa teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly fa kivy avokoa ny mpitondra malagasy rehefa nihintsana teo amin’ny 1/4-dalana ny ekipa malagasy ka naleon’izy ireo nanaraka propagandy. Dia aiza amin’izany ny resaka « fair play » takiana amin’itony fanatanjahatena itony raha izany ?

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT