Samy manana ny heviny amin’izay nahatonga ny olona ho vitsy tonga nandatsa-bato tamin’ny fifidianana ben’ny tanŕna sy mpanolotsain’ny tanŕna ny 31 jolay ny olom-pirenena sendra niresadresaka tamin’ny Tia Tanindrazana omaly.
Rafalimanana Norbert filohan’ny baolina kitra Analamanga teo aloha :
“Vitsy ny olona tonga nifidy tamin’ny zoma teo satria tsy ampy ny fanentanana ary tsapa koa fa efa tena leo politika ny Malagasy. Leo politika izy satria politika fitadiavan-tseza fotsiny sy fitadiavam-bola no hita amin’ny ankapobeny. Tena tsy misy mieritreritra fampivoarana izany izay mahazo toerana fa dia mionona amin’ny fandaharanasa narosony fotsiny dia izay. Mila ny antsoina hoe : “Extra” anefa, raha ny fiheverako azy izay olona mpanatanteraka voafidy, izany hoe : manao ny mihoatra noho izay fandaharanasa narosony fa izany no nampahomby ny mpanao politika tany ivelany sady nahamamim-bahoaka azy ka nitoerany ela teo amin’ny toerany.
SARY : Atoa Rafalimanana Norbert
Dr Rabemanantena Faguet mpitsabo ara-panatanjahantena :
« Antony 2 no heveriko fa nampihena ny faharisihan’ny olona nandatsa-bato farany teo. Voalohany dia eo aloha ny tsy fahamarinana eo amin’ny fitenenana sy ny ataon’ny mpanao politika malagasy fa hafa ny ataony androany ary hafa indray no ataony rahampitso. Faharoa dia ny fahitana fa nisy lojikany ny fifidianana. Ho an’Antananarivo Renivohitra manokana, ohatra, dia nisy ny kandidà nanana “Gabarit” nihoatra an’ireo mpifaninana aminy ka efa fantatra mialoha ny vokatra ka tsy dia taitra intsony ny olona.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.