Politique

Fahaleovantena sy fitiavan-tanindrazana Tsy fiankinan-doha amin’ny vahiny no dikany ho an’ny sarambabem-bahoaka


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Homarihina amin’ny talata 26 jona ho avy izao ny tsingerin-taona faha-58 nahazoantsika ny fahaleovantena.

 

 Mbola manjavozavo anefa izany eto amintsika, indrindra fa raha mijery ny raharaham-pirenena misy ankehitriny. Tsy mbola hita taratra loatra hatreto fa tena mahaleotena isika eto Madagasikara. Misy hidiran’ireo mpanam-bola vahiny hatrany ireo zava-mitranga misy miaro fanerena an-kolaka. Mikasika ny fitiavan-tanindrazana indray dia samy milaza ho tia avokoa ny rehetra fa vitsy ireo vanona sy vonona ary tena mampihatra azy. Tahaka izao ny fanehoan-kevitry ny olona mikasika ny fahaleovantena sy fitiavan-tanindrazana eto amintsika.

Rtoa Malala : Ny fahaleovantena amiko tsy miankin-doha amin’ny vahiny intsony ary tsy misy idiran’ny vahiny izay zavatra hataontsika eto Madagasikara. Ny fitiavan-tanindrazana indray dia  tsy mivarotra tanindrazana satria isika teratany Malagasy no tokony hanjaka sy higoka ny tombontsoa azo avy aminy.

 

Rtoa Landy : Ny fitiavan-tanindrazana amiko mitsinjo ny hoavin’ny taranaka fa tsy manao gaborakaka. Ny fahaleovantena indray tsy fiankinan-doha amin’ny hafa intsony. Mikasika ny fananganan-tsaina manokana, indrindra amin’izao fetin’ny 26 jona izao dia tsy tokony hijerena resa-politika satria mariky ny fitiavan-tanindrazana ihany koa.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT