Politique

Etazonia, Japon, Norvezy Hiditra an-tsehatra hanara-maso ny fifidianana


  • Alakamisy 30 Jolay 2015

Marobe ireo resaka mandeha mikasika ny fifidianana kaominaly hotanterahana eto Madagasikara rahampitso faran’ny volana jolay.

 

 Niteraka adihevitra rahateo ny fikarakarana sy ny fanomanana nosahanin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita toy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ny olana momba ny kara-pifidianana na koa ireo fitaovana ampiasaina mandritra ny fandatsaham-bato. Teo ihany koa ny tsy fifehezan’ny Cenit ny fanavahana ny fampahafantarana ireo kandida mialoha ny fotoana sy ny fe-potoana ara-dalàna voafaritra hanatanterahana ny fampielezan-kevitra. Misongadina amin’izao ankatoky ny datin’ny 31 jolay 2015 izao ihany koa ohatra ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny Cenit sy ny ministeran’ny Atitany sy ny sehatra tsy miankina nahazo alalana hanara-maso mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana toy ny Kmf/Cnoe. Milamina, hoy ny andaniny. Ahitana lesoka kosa, hoy ny ankilany. Fantatra fa miisa 17 ireo mpanara-maso ity fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ity. Hiditra an-tsehatra hanara-maso azy io moa ny masoivoho vahiny toy ny Amerikanina, Japoney na koa ry zareo norvezianina.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT