Roa ny fitarainana voarain’ny « tribunal administratif » momba ny fanatanterahana ny fifidianana tamin’ny zoma 31 jolay lasa teo. Napetraka io zoma io ihany ny iray ka kandida vehivavy no nanao izany
. Omaly alatsinainy kosa no naterina solontenana kandida iray tsy nahazoana fanampim-baovao hoe iza marina ny fitoriana faharoa. Handinika ireo fitoriana ireo ny fitsarana mialoha ny hamoahany amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana. Maro anefa ny mihevitra fa tsy dia hanova firy ny vokatra vonjimaika ireo fitoriana ireo satria efa tena iny mihitsy no safidim-bahoaka sy azo amintinana ny hetahetan’ny mponina eto Iarivo. Hitan’ny olona ary tadidiny tsara ny nitranga teto nanomboka tamin’ny 2009, tsaroany ny zava-nisy niainany mialohan’izay, ka rehefa nandinika tsara dia mazava be ilay safidy fa aleo ny olona azo antoka fa mahavita zavatra no apetraka hitantana ny tanàna.Tsy voatery hahafaly ny rehetra ny voka-pifidianana, fa efa iny aloha no misy eo dia izay izany no izy. Tamin’ny 2010 aza tsy tomombana kokoa noho ny tamin’ity taona ity ny nanaovana ilay fitsapan-kevi-bahoaka nandaniana ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha-4, fa dia nanaiky ihany ny rehetra ary io izy ampiasaina sy iainana hatramin’izao io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.