Niampy iray ny antoko politika eto Madagasikara dia ny Arche de Noé (ADN), tarihin’i Razafindravahy Edgard Marie Noé.
Efa fikambanana nanohana azy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013, izay nahazoany salinsam-bato 4,34%, izy ity no navadika ho antoko. Nampahafantariny omaly tao Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra ny fijoroany. Tao Antsirabe izy no teraka ary tao no fari-pifidianana nahazoany vato be indrindra tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 nanarakaraka an’i Jean Louis Robinson ka izany no nambarany fa anton’ny safidy ; ary koa efa fiomanana amin’ny fifidianana amin’ny 2018.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.