Noho ny fikarakarana ny fifidianana dia tsy mbola niakatra teo anatrehan’ny filan-kevitry ny fitsipi-pifehezana i dokotera Rakotomaharo Tsinjo
izay mpitondra teny sady delegen’ny mpiasan’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra (CUA). Etsy an-daniny, nitondra ny fitarainany eny anivon’ny « Inspection de travail » ity dokotera ity ka fototra ifaharan’ny fitarainany ny fanaovana antsojay mifangaro fanamparam-pahefana natao taminy avy amin’ny mpampiasa azy dia ny mpitantana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra izany. Efa eo am-pandinihana ity raharaha ity ankehitriny ny eo anivon’ny inspection de travail.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.