Tsy nandrenesam-peo intsony andriamatoa Jules Etienne taorian’ny faharavan’ny governemanta Kolo Roger tamin’ny fiandohan’ny taona 2015.
Tsy nijanona nanaraka ny fizotran’ny raharaham-pirenena kosa anefa ity azo ambara fa nahatonga ny kandida Rajaonarimampianina Hery ho lasa filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ity. Midika zavatra lehibe ireo tranga roa fanonganana ny filoham-pirenena narahina fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra sy ny governemantany, hoy ny minisitry ny Indostria teo aloha. Tsy lazaina intsony ireo zavatra marobe tsy mandeha eto amin’ny firenena toy ireo karazana fitokonana, ny fidinan’ny sandan’ny vola Malagasy. Tsy maintsy harenina izany ka ilaina ny fifampihainoana. Ny fanarahana ny lalàna fototra no vahaolana hisorohana ny mety ho fiavin’ny krizy vaovao. Efa nilaza ny heviny rahateo ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa tsy azo haongana ny filohan’ny Repoblika ary tsy azo ravana ny Antenimieram-pirenena. Rariny tanteraka raha miroso haingana amin’ny fandravana ny governemanta ny filoham-pirenena.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.