Ny fiaramanidina na sambo manokan’ny orinasa mpikarakara Makamba Marima ihany ankehitriny no afaka mitondra mpandeha mankany amin’ny distrikan’i Besalampy any amin’ny Faritr’i Boeny
. Rahy saika hitondra ireo fitaovana tokony hanaovan’ny kandidà tohanany fampielezan-kevitra any Besalampy miala any Mahajanga anefa Atoa Sacra, CT teo aloha, dia nosakanan’ny ministry ny jono am-perinasa, Atoa Ahamad izay nilaza fa raha tian’ity orinasa ity ny mbola hisian’ny fiara-miasa matotra eo amin’ny ministera sy ity orinasa ity. Mbola raharaha hafa koa ny niseho tany amin’ny kaominin’i Soanenga mbola any amin’ny distrikan’i Besalampy ihany fa ny talata faha-28 jolay teo, izany hoe 2 andro mialohan’ny hanatanterahana ny fifidianana kaominaly eto Madagasikara, dia mbola nisy fanoloana PDS tany an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Paoly : Izay le tetika hafahafa fanaon’ny mpanao politika ê
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.