Politique

Distim Antananarivo I Nandresy tamin’ny fandresen-dahatra ny TIM


  • Talata 04 Aogositra 2015

Arahabaina ny vahoaka Malagasy nahavita dingana vaovao amin’ny fiatrehana ny ho avin’ny fiainam-pirenena.

 

“Faly manokana ihany koa izahay miarahaba sahady an’i Neny Lalao Ravalomanana”, hoy Rakotomamonjy Phillipe. Ekena fa mbola voka-pifidianana vonjy maikan’ny fifidianana kaominaly notanterahana ny zoma 31 jolay 2015 no nivoaka ankehitriny saingy matoky ny amin’ny fandresen’ny antoko Tiako I Madagasikara eto Antananarivo Renivohitra ny Distim Antananarivo voalohany, araka ny fanampim-panazavany. Afaka mirehareha ny filoha nasionaly sy ny ben’ny tanàna vaovao fa manana ny maro an’isa ao an-damosiny tena resy lahatra tsy azo rebirebena amin’ny foto-kevitra nijoroany hatramin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana. Tonga tokoa ary izao ny fotoana hanarenana ny fiarahamonina hijerena ireo tena tia tanindrazana tsy nivadi-belirano nitolona amin’ny fiverenan’ny tany tan-dalàna vonona hitondra ny anjara birikiny mba ho tombontsoan’ny besinimaro sy ny tanàna, hoy ity mpikambana Distim Antananarivo voalohany ity.

Ramano F.  


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT