Mpijery fety amin’iny faritra Avaradrano, Ambohitrarahaba, Ankadikely, mipaka any Sabotsy Namehana no nameno ny antsasa-manilan’ny toerana tao amin’ny
Coliséum Antsonjombe tamin’ny alahady nanaovan’ny kandida Lalatiana Rakotondrazafy propagandy. Antso an’efitra ihany ny azy sy Andry Rajoelina tonga nanotrona azy hifidy amin’ny 31 jolay 2015, satria olona tsy azo hianteherana hitondra vato ho azy no nameno sehatra, tsy mpifidy voasoratra anarana eto Antananarivo renivohitra mantsy ny ankamaroan’ireo olona ireo, teo ihany koa ny zaza tsy ampy taona maika hijery fampisehoana fotsiny. Niantehitra tamin’ny hazo boboka. Ho diso kajy ity kandida ity raha iny no entiny mandrefy ny fitiavan’Antananarivo azy, Antananarivo izay efa nivoady fa ho lasan’ny tetezamita anie ny ratsy rehetra, ampy izay ny doro tanàna sy fandrobana. Mila olona hiasa amin’izay fa tsy hiantsy ady na be resaka Antananarivo.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.