Diplaomasia

sy toekarena


  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Hanamafy ny fiaraha-miasa

stratejika amin’i Rosia…
Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Vnukovo, ao Moscou, renivohitr’i Rosia omaly ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ny delegasionina malagasy, handray anjara amin’ny fihaonana iraisam-pirenena iarahan’i Rosia sy Afrika, izay hotanterahina anio 28 sy rahampitso 29 oktobra 2026. Miaraka aminy amin’ity dian’ny delegasionina malagasy ity ny Mpandrotlotsa¬ina Avon’ny Fanavaozana, Dokotera-Jeneraly ZAFITASONDRY Marcellin, sy ireo minisitra vitsivitsy. Fihaonana iraisam-pirenena lehibe no handraisan’ny Filohan’ny Fanavaozana anjara amin’izao diany any Rosia izao. Anisan’ny tanjona ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy ireo firenena afrikanina, indrindra eo amin’ny sehatra ara-toekarena sy ara-diplomatika. Ho an’i Madagasikara, fotoana iray hanamafisana ny fifandraisana amin’i Rosianina sy hitadiavana lalam-piaraha-miasa vaovao ho fampandrosoana ny firenena izao fandraisana anjara izao. Ankoatra ny fandaharam-potoana ofisialin’ny fihaonambe, andrasana ihany koa ny fihaonana eo amin’ny Filohan’ny Fanavaozana sy ny Filohan’ny Federasionin’i Rosia, Vladimir POUTINE, hanamafisana ny fanokafana lalana ho amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Voalaza fa anisan’ny lohahevitra hodinihina mandritra ny fifampiresahana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa stratejika sy ny fampiroboroboana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Rosia. Hisy ny fihaonana amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena hikatsahana fiaraha-miasa ho an’ny tombotsoa ara-toekarena. Endrika maneho ny fivelaran’ny diplaomasia Malagasy ny fanokafam-baravarana ataon’ny Firenen-dehibe samihafa satria isika mametraka ihany koa ilay diplaomasia misokatra amin’ny rehetra izay mety ahitan’i Madagasikara tombotsoa. Efa dingana lehibe, saingy irariana mba tena hisy vokatra mafonja kokoa hatrany mba ho azo tsapain-tanana amin’ny toekarena sy ny sosialin’ny Firenena.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT