Ahiahina tsikombakomba

avo lenta ara-tany ao Mantasoa


  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Miampanga ny ZITAL sy milaza tsy

hihemotra ny taranak’i Ralaidovy…

Tany mirefy 7 ha 12 a 40 ca manamorona ny lakan’i Mantasoa no misy ampahany ifanolanan’ny taranak’i Ralaidovy sy ny Zone Immobilière Taloumis (ZITAL) nandritra ny 20 taona mahery. Tany ao Anjozoro Atsinanana, anatin’ny kaominina Manjakandriana. Tamin’ny Repoblika I, teo anelanelan’ny taona 1964 sy 1970, no nanapahan’ny fanjakana hevitra hanova ny manodidina ny lakan’i Mantasoa ho « Nouveau Lotissement de Mantasoa ». Notsinjaraina ho lots ny tany, ka isan’ny nahazo ny laharana 247-A sy 250-B, mitondra ny titra 1907-G, i Ralaidovy, mpiasam-panjakana tamin’izany, araka ny fanazavan’ny zanan’ireo zanany tamin’ny alalan’i Dr Ralaidovy Armand lahimatoa. Tamin’ny alalan’ny taratasy Con 411-G Mant/Mc, tamin’ny 29 Mey 1969, nankatoavina ny 30 Janoary 1971, no nanomezana azy izany tany novidiana izany. Nisy fepetra ny fananganana trano 50 m² isaky ny lot sy ny fambolen-kazo. Trano mirefy 13,6 m x 9,3 m kosa no naoriny, niaraka tamin’ny fandaniana tamin’ny fanajariana sy ny fambolen-kazo. Tamin’ny 21 Septambra 1792, araka ny antontan-taratasy voatonona, dia natambatra ho fananana tokana antsoina hoe « ZAKA » ireo tany, ka nomena ny titra laharana 2407-G. Nodimandry tamin’ny Janoary 2001 Ralaidovy. Tamin’ny taona 2004, rehefa nangataka taratasy manamarina ny sata ara-dalàn’ilay tany ny fianakaviana, dia nahafantatra fa efa nofoanana ny titra 1907-G, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana laharana 13/02/PROV/AUT/DOM/F, tamin’ny 25 Novambra 2002. Nilaza ny fianakaviana fa tsy nahazo fampahafantarana mivantana na « notification » izy ireo, na dia voalaza aza fa napetraka teo amin’ny takelaby fampahafantarana tao amin’ny Distrikan’i Manjakandriana sy teo anoloan’ny Kaominina Mantasoa ilay didy. Nambaran’izy ireo ihany koa fa nisy « constat de lieu » natao tamin’ny taona 2000, tsy nampandrenesana ny tompon-tany. Voalaza tao fa hazo vitsivitsy sy tany « état sauvage » no hita, nefa nisy trano sy fambolen-kazo teo amin’ilay toerana, araka ny fanazavan’ny fianakaviana. Notsindrian’izy ireo fa nisy « certificat de reboisement » nanamarina ny fanajariana na «Mise en valeur » nataon-dRalaidovy ankoatra ny trano izay fepetra napetraky ny Fanjakana, ka heverin’izy ireo fa tatitra diso no niaingan’ny fanafoanana ny titra. Nambaran’izy ireo fa nandeha mangingina ny fangatahana nataon’ny ZITAL momba ilay tany. Notanisain’ny fianakaviana ny sary zanabolana tamin’ny taona 2002, ny tatitry ny mpirakidraharaha mpanatanteraka didim-pitsarana tamin’ny 22 Aprily 2004, ary ny tatitry ny Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Fampandrosoana ny Ambanivohitra sy ny Tany ao Manjakandriana tamin’ny 27 Jolay 2004. Voalaza sy voamarina tamin’ireo fa nisy trano misy rihana iray mirefy 13,6 m x 9,3 m sy hazo kininina ary kesika teo amin’ilay fananana. Andaniny, tamin’ny 3 Septambra 2003 no nivoaka ny taratasy manamarina fa tsy nisy fampakarana fitsarana momba ny didim-panjakana tamin’ny 25 Novambra 2002. Voasoratra tamin’ny 5 Novambra 2003 izany, andro nametrahan’ny ZITAL fangatahana momba ny fanomezana tanim-panjakana, rehefa nofoanana ny fananana « ZAKA », titra 2407-G. Tamin’ny taona 2023, nampahafantarin’ny Fitaleavana Jeneralin’ny Tany ny fianakaviana ny Avis de Décision laharana 90/23-MATSF/SG/DGSF/DDP/SRD/CIRDOM/F, tamin’ny 28 Martsa 2023. Araka ny memorandum, io fanapahan-kevitra io dia nanoro fangatahana vaovao momba ny ampahany voalohany amin’ny tany, izay ambanin’ny arabe ho an’ny Taranak’i Ralaidovy, ary nanoro hevitra ny hanohizana ny fandinihana ny fangatahan’ny ZITAL momba ny ampahany faharoa, any ambony. Manohitra izany ny fianakaviana, izay milaza fa ny fanafoanana tanteraka ny didim-panjakana tamin’ny 25 Novambra 2002 no takiany, fa tsy fangatahana vaovao momba ny tany. Nambaran’izy ireo fa io didy io no nanafoana ny zony, niainga tamin’ny « constat de lieu » izay heveriny fa diso sy nifono teti-dratsy. Efa nofefena « barbelé » ny ampahany nalain’ny ZITAL, ary naringana ny hazo maro. Tombanana ho 1,8 miliara Ariary ny sandan’ireo hazo ireo, araka ny fitsirihana nataon’ny zanak’i Ralaidovy niaraka tamin’ny vadin-tany. Notsaraina teo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo tamin’ny Novambra 2024 ny raharaha, ary mbola misy fampakarana. Tamin’ny 1 Oktobra 2024, nametraka fitoriana teo anivon’ny BIANCO ihany koa ny fianakaviana, noho ny ahiahin’izy ireo amin’ny tsikombakomba tsy ara-dalàna eo amin’ny tompon’andraikitra sasany sy ny orinasa ZITAL.
« Tsy hanaiky mihitsy izahay. Rehefa misy ahiahina kolikoly, dia tsy manan-kery intsony ny resaka hoe misy fe-potoana izao sy izao. Aminay dia misy tsikombakomba io, ka takianay ny fanafoanana ilay didy manamarina ny maha anay ny tany », hoy i Dr Ralaidovy Armand.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

Hijery ny tohiny
FTT