fanaovana dika mitovy…»
Toetsaina manao ahoana no handrafetanana ny lalampanorenana vaovao, hoy ny mpampianatra mpikaroka, Pr Jonah Ratsimbazafy? Lalàmpanorenana malagasy ho ampiasaina eto Madagasikara eto no resaka, hoy izy. Malagasy no hanao azy io fa tsy vahiny. Izao no mampanahy ahy ary mba tiako resahina tsara mialoha. Tsy ny hoe malagasy hanao ny lalàmpanorenana no olana fa ny hoe toetsaina toy ny ahoana no hanaovana an’io lalàmpanorenana io? Haka tahaka fotsiny ny lalàmpanorenana frantsay ve sa mba hisokatra sy hijery izay tena mety amin’ny kolontsana malagasy? Tsy amin’ilay hoe manam-pahaizana amin’ny lalàna fa ilay foto-pisainana handrafetana ilay izy no tsara atao mazava dieny mialoha tompoko! Efa hita fa tsy mety ny fanaovana dika mitovy tamin’ny lalàmpanorenana frantsay ka miandry fatratra an’izay ny vahoaka, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.