ity fitondràna ity raha te hametraka tsara!»
Ny mpitondra ankehitriny no menatra voalohany manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao satria izy no tomponandraikitra voalohany eto, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika naneho ny fahitàny ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fanavaozana teny Ivato farany teo. Midika tsy fahombiazana tsinona ny zava-misy, hoy ny filohan’ny antoko, Eliace Ralaiarimanana. Izy no tokony ho menatra voalohany indrindra raha mirongatra ny kolikoly ary ho ajanona amin’izany mandrakizay tokoa ve moa ny malagasy, hoy izy? Tsy misy ilàna mpitondra raha izany. Hanova izany no ilàna azy. Nandrasana ny fanovàn-drafitra hatramin’ny androany. Tonga teto Rajoelina nandrava ny andrim-panjakàna rehetra satria te hametraka an’iny ratsiny iny. Tokony sahy handrava koa ity fitondràna ity raha te hametraka tsara! Kaikerin’ny amboa kely tiany izy izao. 2 taona no nifanarahana aminao teo. Hifampitazana eto isika raha mihoatra 1 andro izay. Tokony mampiseho toetsaina modely aloha ny mpitondra. Ny hazo ratsy hoy ny tenin’Andriamanitra tsy mamoha voa tsara. Hazo ratsy ianao matoa tsy mahita olona tsara hiara-hiasa aminao, hoy hatrany ny antoko Kristianina manao politika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.