SALON

INTERNATIONAL DE L’HABITAT


  • Zoma 23 Oktobra 2026

Manome lanja ny tontolon’ny

fanorenan-trano mendrika
Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly Alakamisy 22 Oktobra eny amin’ny CCI Ivato haharitra 4 andro ny « Salon International de l’Habitat » andiany faha-27 karakarain’ny Madavision. Nisolo tena ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahantany tamin’izany ny Sekretera Jeneraliny, Atoa Sambany Ruffin. Nambaran’ity farany nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa manana vina 4 ity ministera ity mikasika ny tontolon’ny fanorenan-trano eto amintsika. Lohalaharana ny fanomanana fahazoan-dalana hanorina, ny fanatsarana ny tetikasa manodidina ny trano fonenana, ny fanatsarana ny tontolo voarindra sy milamina an-tanan-dehibe ary farany izay tsy kely akory dia ny fanomezan-danja ny sehatry fananantany. Tanjon’izy ireo mantsy ny mba hananan’ny rehetra trano fonenana mendrika sy toerana mirindra ary mahazaka ny loza voajanahary. Saika mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny fanorenan-trano avokoa noho izany no mandray anjara amin’ity Salon ity manomboka any amin’ny fividianana tany ka hatrany amin’ny fikarakarana zaridaina. Miisa 114 izy ireo ka anisan’ny tazana eny an-toerana ny trano evan’ity Ministera iray ity izay manampy sy manome toro-hevitra ireo olona mila fanazavana momba ny tontolon’ny asa fanorenana amin’ny ankapobeny. Loha-hevitra nampitondraina ny hetsika ny hoe : Madagasikara mandroso, misaina, manorina toeram-ponenana mibanjina ny ho avy.
Pati
Legende : Nandritra ny fanokafana ny hetsika omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

Hijery ny tohiny
FTT