Sinoa iray tratra nitondra volamena
2,85kg tao anaty fitombenana
Sinoa vavy iray indray no tratra nikasa hamoaka volamena an- tsokosoko teny amin’ny seranam- piaramanidina teny Ivato, omaly hariva. Nasisika tao amin’ny fitombenany ireo volamena izay milanja manodidina ny 2,85 kg. Nandalo teo amin’ny "Bodyscan" no nahafahan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana nahatsikaritra azy ity, ankoatra ny fandehany izay somary hafahafa. Nohamafisin’ireo tomponandraikitra fa nahitana zavatra miendrika boribory lavalava, na ovale,miisa fito (7), tao amin’ny fitombenany? Nidina teny an- toerana ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison sy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany, nanome toromarika ny amin’ny hampiharana ny lalàna sy tsy handeferana na amin’iza na amin’iza, araka ny baiko efa nomen’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kôlônely Michael Randrianirina. Henjana ny fahasahiana satria dia 48 ora monja taorian’ny fanambarana hentitra nataon’ny Filoham-panjakana teny amin’ny ADEMA Ivato no misy teratany vahiny ary mbola sinoa ihany koa tratra amin’ny trafika goavana tahaka izao. Tsy fanenjehana na fankahalana sinoa, fa tena maro ireo malaza amin’ny fanaovana asa ratsy eto Madagasikara, na amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany io na amin’ny lafiny teknolojia amin’ny alalan’ilay fisolokiana goavana dia ilay antsoina hoe : « scamming ». Firifiry ireo fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy ara-dalàna natsahatra teto, toy ny volamena, malakita,… Matoa anefa anefa sahy ireo, dia misy mpiaro, misy mpanamora ny asa ratsy sy ny fidirany eto, ary ireny niarahana naheno ireny ihany koa ny fampitsoahana. Avo lenta ny aferan’izy ireo eto, inoana fa mandeha ny fanadihadiana lalina izay isan’ny nampanaovin’ny PRRM saingy misy ny hivina loharanom-baovao na « indice », milaza fa misy olona ambony ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka tsy latsaky ny roa, misy olona any anaty minisitera,… mpanalalana sy mpamaha olan’ireo sinoa manana olana eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.