politika izay vao fikaonan-doham-pirenena
Naneho ny heviny mikasika ny zava-misy lalovan’ny Firenena ankehitriny Alain Mahavimbina, Filohan’ny antoko politika GAR na Gasikara Antsika Rehetra. Mampimenomenona ny olona eny anivon’ny fiaraha-monina mantsy ny fisian’ilay resaka mandeha fa efa misy ny fikaonan-doham-pirenena karakarain’ny FFKM nefa tsy maintsy hoatao ihany koa ny dinika politika. Nambarany fa mety izany raha ho azy manokana. Ao anatin’ny dinika politika mantsy raha ny fanazavany no hahafahan’ireo mpanao politika rehetra maneho ny heviny sy mitondra vahaolana ary manitsy ireo tsy nety teo aloha ihany koa. Ireny rehetra ireny no haravona hoy izy mandritra ny fikaonan-doham-pirenena mba tsy handaniana fotoana betsaka intsony. Notsiahiviny manokana mantsy fa ankoatra ny fampandehanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny dia anisan’ny adidy goavana miandry izao Fitondrana mijoro izao ny fanatanterahana haingana ny fikaonan-doham-pirenena, mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana tena izy, handraisan’ny besinimaro anjara. Tsy tokony hakorontana intsony araka izany hoy Alain Mahavimbina izay fandaminana efa napetraka.
Pati
Legende : Izy no Alain Mahavimbina, Filohan’ny antoko politika Gasikara Antsika Rehetra !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.