Politique

Didier Ratsiraka Manadio tena, tsy maty voalavo an-kibo


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Nilaza ny heviny momba ny tantaram-pirenena sy ny raharaham-pirenena teny amin’ny Carlton halina ny amiraly Didier Ratsiraka raha nampahafantatra ny boky be 650 pejy momba azy.

 

 Tsy niova ny amiraly fa dia tahaka ny nahafantarana azy hatramin’izay, “tsy nisy nanenenako ny zavatra nataoko”, hoy izy. Nambarany fa tsy izy no namono ny kolonely Richard Ratsimandrava tamin’ny 1975, ny jeneraly Gilles Andriamahazo aza no mety manana antony manan-kery kokoa ho namono azy fa tsy izaho, hoy izy. Nolaviny tanteraka ny fiampangana azy ho mpamono olona tamin’ny 10 aogositra 1991. “Tsy nitifitra izahay”, hoy izy, ary grenady lakrimozenina 3 no nalatsaky ny helikôptera avy eny amin’ny 300 metatra ka tsy handratra na hahafaty olona mihitsy izany. Niaiky kosa anefa izy fa nanampy an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 mba handrodana an’i Marc Ravalomanana izay tsy filoham-pirenena voafidim-bahoaka mihitsy moa aminy. Nisaraka anefa izahay rehefa nisy ny raharaha 7 febroary 2009 satria fanonganana tsy misy ra latsaka no nifanarahanay tany Paris, hoy i Didier Ratsiraka. Nanamafy halina ny deba fa izy no nibaiko ireo miaramila nanapoaka basy manodidina ny lapam-panjakana Iavoloha tamin’ny martsa 2009 mba ho fampitahorana an’i Marc Ravalomanana sy hampitsoaka azy. Momba ny raharaham-pirenena indray dia nilaza ny Deba fa tsy nety ny lalàmpanorenana ampiasaina amin’izao fotoana fa tena sampona. Tsy anjaran’ny HCC ihany koa ny mibaiko ny andrim-panjakana hanao an’ilay «Pacte de responsabilité», hoy izy ary tsy azo ekena ny fanomezana ny vahiny ny Jirama. Fifanarahana no tokony hatao dia ifampisasahana ny tombony fa tsy hoe ny vahiny no hitantana ny orinasam-panjakana. Nanadio tena, niaro mafy ny zavatra nataony ary nanilika hatrany ny rihatra any amin’ny hafa ny fahitana ny amiraly Ratsiraka fa dia tahaka ny hoe : izy no mpitondra nahay indrindra sy masina indrindra teto Madagasikara ka ny heviny no tsara indrindra fa na tsy mety na eo ho eo ihany ny an’ny hafa.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT