Mifoha indray ny fitakiana ny “Iles Eparses” ary tsy vao ela no nisy kandidà ho filoham-pirenena iray nametraka fitoriana mitaky ny hamerenana ireo nosy Malagasy ireo an`i Madagasikara teny amin`ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana.
Maro ireo tombontsoa sy harena amin`ny nosy toy ny hazan-dranomasina, ny fahazoantsika “droit de passage” amin`ireo sambo sy “cargo” isan-karazany izay tsy maintsy mandalo eo. Ao koa ireo harena ankibon`ny tany maro toy ny solika, etona fandrehitra, mineraly maro, diamondra… Noho ireo tombontsoa maro ireo no tsy hamelan`ny mpitondra frantsay ireo Nosy. Raha jerena anefa ny fehin-kevitra laharana 34/94 an`ny Firenena Mikambana notapahina tamin`ny 12 desambra 1979 izay manamafy fa an`i Madagasikara irery ireo nosy ireo ka azony trandrahana sady tsy iarahany amin`ny firenen-kafa na “zone economique exclusive”. Ny zava mitranga aloha dia bodoin`ny Frantsay ireo nosy ireo. Inona no tena kajy amin’ilay hoe alaintsika ny “iles eparses” ? Na ny mandamina an’i Madagasikara sy ny harena misy eto aminy aza anefa tsy vita sy tsy voafehy. Efa manakaiky tokoa ny fifidianana ary efa samy nampidera ny vazahany ny kandidà sasany. Tsikaritra tato ho ato fa manomboka maka toerana aty Afrika ihany koa ny firenena Rosianina. Ny alahady lasa teo dia nisy ny fihaonana teo amin`ny Filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy ny Filoha Rosianina Vladimir Poutine izay noraketin`ny birao misahana ny seraseran`ny filoham-pirenena (T.A.S) an-tsary ary izy ireo mihitsy no nanaparitaka ny sary; ny zoma 13 jolay dia fantatra ihany koa fa nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Rosianina Seguei Lavrov ny Amiraly ary manodidina ny fifandraisan’ny firenena roa tonta efa nisy hatry ny ela ny resaka. Somary nanaitra ny maro ihany ny zava-nitranga satria rehefa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina no nanao fitsidihana toy ireny dia tsy misy ny tatitra ofisialy avy any an-toerana. Etsy ankilan’izay re fa manara-maso akaiky an`ity dian’ny Amiraly tany Rosia ity ny Sinoa, ny Amerikanina ary ny Frantsay. Manomboka mazava ny resaka fa paikady ara-jeopolitika no miseho amin`izao fotoana izao indrindra amin`ny faritra Ranomasimbe Indiana mba hahafahan’ny vahiny maka toerana sy maka ny harembe misy eto.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.