Tsy mety afaka ny fomba fisainana maika hahazo seza amin’ny fanaovana tolona.
An-jatony ny CV (Curriculum Vitaé) voarain’ireo depioten’ny fanovana lasa minisitra. Maherin’ny 500, ohatra, no voarain’i Guy Rivo Randrianarisoa, minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina. Azo antoka aloha fa avy amin’ny mpanohana mivantana na an-kolaka, indrindra ireo nitolona teny an-kianja ny ankamaroany. Mendrika sy rariny raha ireo tompon-trano nandany ny fotoanany sy ny fiainany teto no manao sy manatanteraka ny tanjona miaraka amiko, hoy ny minisitry ny indostria, izay tsy nitondra olona avy any ivelany. Tsy tokony hanakana antsika hifanome tanana sy torohevitra mandrakariva anefa izany ary misokatra foana ny varavarana, hoy ny hafatra nataony tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Angaha tokoa moa tsy maintsy homena seza sy miandry tambiny foana vao mahavita mandray andraikitra sy mampandroso firenena ? Mila tambiny ny rehetra matoa mitolona saingy tambiny sy tombontsoa iraisana. Tsy hifanomezan-tsiny anefa satria hatramin’ny MAPAR aza ny seza sy fahefana no tena tanjona tamin’ny tolona ho azy ireo, ka namadihana ny vahoaka. Mbola mila fanovana ity toe-tsaina mirangorango amin’ny seza sy fahefana ity e ! Porofo iray anefa itony faharaisana “CV” be dia be itony, fa mijaly amin’ny resaka fananan’asa ny Malagasy, ary tsy tena tafapetraka ny politikan’ny fananan’asa mamaly ny filan’ny rehetra. Lojika raha mirodorodo ny olona vao misy hirika kely.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.