Niavaka raha samy solombavambahoaka tamin’ny fihetsika hafahafa nataony teny amin’ny Lapan’ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza i Nicolas Randrianasolo, izay nivadika tamin-dRajoelina sy ny ekipany.
Tsaroan’ny rehetra tsara ny fifamaliana goavana teo aminy sy ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy, nandritra ny adihevitra tamin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2017. Toy ireny jiolahim-boto mpiady an-tsena ireny no azo hitsarana ny zava-nisy. Mbola nisy indray ny fihetsika miendrika fandranitana tamin’ny depiote Anyah ny volana martsa teo, ka nanaovana ilay masobe nohetsiketsehana, ka nahatonga ity farany nanosika azy. Efa resabe ny vaky bantsilana nataon’ny mpanolotsain’ny praiminisitra teo aloha, dia Paolo Raholinarivo, fa anisan’ny olona ahiana ho tompon’antoka tamin’ny resaka akora simika fanamboarana bala tany Betroka izy, ary mpiray tsikomkomba amin’ny dahalo. Nisy ny ampamoaka, fa atao anaty “baffle” ny fitaovam-piadiana sy ireo entana mamoafady … Vao ny faran’ny herinandro lasa teo indray no nisian’ilay fihetsika hafahafa mbola feno fandranitana ihany natao tamin’ny depioten’Atsimondrano, Harijaona Randriarimalala na Jaona Elite, izay tezitra rehefa tsy navela hiteny tao anaty fivoriana, ka nisafidy ny nivoaka ny efitrano. Manondrana sy mahita hatao hatrany, ka depiote tsy mahay miaina no hitsaran’ny olona sasany azy. Toy ireny ve ny mpanao politika mba hianteheran’ny filoha ankehitriny ? Tsy atao mahagaga raha potika tanteraka ny antokon’ny fitondrana satria sady tsy misy fototra politika no mbola hialokalofan’ny olona hafahafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.