Samy niandrandra ny tolona ho an`ny fanovana ny rehetra tetsy amin`ny kianjan`ny 13 mey.
Antoko tsy mitovy fijery sy fierehana no nitambatra ho iray mba hametraka ny fanovana noho ny fitondrana Rajaonarimampianina tsy manjary. Raha tsiahivina, tamin`ny fanendrena ny praiminisitra lehiben`ny governemanta Ntsay Christian ny 4 jona lasa teo, mbola nanamafy ny maraina ireo depiote Mapar teny amin`ny Kianja fa tsy avy amin`izy ireo io praiministra io. Tsy mbola niherina ny andro dia nanao fanambarana izy ireo tamin`ny haino aman-jery iray tsy miankina fa mankasitraka tanteraka ny praiminisitra Ntsay. Raha jerena sy dinihana, nandeha an-tsokosoko ny fifanarahana tany ambadika teo amin`ny Mapar sy ny HVM. Toy ny mahazatra, nataon`ny Mapar ho fitaovana sy tohatra fiakarana indray ny vahoaka nitaky fanovana manerana ny nosy. Mihevi-tena ve ny Mapar fa tsy ho hitan`ny olona izao fivadiham-pitokisana izao ka tsy menatra mivadi-belirano sady tsy mahalala fomba. Natakalon’ny Mapar seza ny tolona ho an’ny fanovana izay tsy mbola vita. Raha izao no mitohy dia tsy tafavoaka eto Antananarivo ireo depiote Mapar amin`ny fifidianana solombavambahoaka izay ho avy eo satria efa namadika ny vahoaka mpifidy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.