Manomboka indray ny fanambarana politika etsy sy eroa ny ankolafin-kery.
Ry zareo parlemantera manohana ny fitondrana, ohatra, dia nisaotra ny vahoaka Malagasy tamin’ny fiatrehana am-pitoniana ny fifidianana natao teo. Maniry mafy ihany koa ry zareo ny hitohizan’izany eo am-piandrasana ny vokatra ofisiaky. Milaza izy ireo fa raha vokatra vonjimaika azon’ny antoko Hvm hatreto dia manamarina fa mbola manana fitokisana ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny vahoaka Malagasy maro an’isa amin’ny fitantanana azy ho any amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nanambara koa ry zareo fa mbola be ny vary mangatsiaka tokony handraisan’ireo depiote fanapahan-kevitra eny Tsimbazaza eny ary tokony hoentina hodinihana eny haingana koa ny amin’ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana hoenti-miasa hanarenana haingana ny firenena ka tokony hiatrika fivoriana tsy ara-potoana haingana ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ato ho ato. Izay tokoa ve no tena izy sa efa misy ketrika hafa indray ka maika ery ny hivory ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.