Omaly talata no nivoaka ny vaovao fa niala amin’ny maha filohan’ny vondrona Parlemantera HVM azy ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano Jaona Randriarimalala na Jaona Elite.
Voalaza fa tsy nahatanteraka ny andraikiny araka ny tokony ho izy no nialany. Nanala tena ve sa noesorina sa no terena hametra-pialana ? Ary inona no tena hevitra fonosin’ilay tsy nahatanteraka ny andraikiny ? Na ahoana na ahoana ambara dia mazava ny resaka izao fa manomboka mikorontana ny HVM, ary io fa mitranga amin’izay ny ady an-trano sy ny fifanilikilihana satria samy efa samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. Tsy vao izao fa efa elaela ihany no nandrenesana feo fa tsy naharesy lahatra depiote HVM maro ny maha filohan’ny vondrona parlemantera an’i Jaona Elite, saingy izy no nahazo ilay toerana satria izy no nahay niresaka sy niezaka tetsy sy teroa miaro fatratra ny fitondram-panjakana ary tena avo vava aok’izany ery.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.