Politique

Depiote ho an’ny fanovana Mitaky ny fialan’ny praiminisitra


  • Alakamisy 14 Jona 2018

Miverina amin’ny tany am-boalohany ary niampy ny fitakiana eny an-kianja amin’izao fotoana dia ny hamongorana tanteraka ireo HVM efa naloam-bahoaka mbola naverina nomena seza.

 

 Na misy aza ny fidiran’ireo depiote ho an’ny fanovana miisa 5 ao anatin’ny governemanta, dia tsy namadika ny tolona izy ireo, hoy ny eny an-kianja. Nifanarahanay rehetra izy dimy mianadahy nankany anaty governemanta, fa ireo no hanome ny vaovao sy ny zavatra rehetra. Rehefa tsy mety ny ao, dia ireo no miala voalohany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa omaly teny an-kianja. Tsy ankasitrahan’ny eny an-kianja ny fihetsiky ny praiminisitra izay toa manaraka ny baikon-dRajaonarimampianina fotsiny, raha ny voalazan’ny eny amin’ny 13 mey. Ny zavatra angatahintsika, dia izao ny praiminisitra noheverina fa avy aty amin’ny MAPAR, izany hoe avy aty amin’ny mpitolona, ka raha misy olona tokony hametra-pialana voalohany dia izy. Misinda aloha izay ny ahiahy amin’ny mety hisintahan’izy ireo amin’ny fitarihana ny tolona, ka nanambaran’ny sendika maro fa hotohizany raha izay no miseho. Niely ihany koa ny feo omaly hariva, fa tsy mahafaly an’i Andry Rajoelina, ary tsy mampitovy hevitra aminy amin’ny depiote MAPAR ny fivoizana eny amin’ny 13 mey nanomboka omaly, manakihana ny Praiminisitra sy mitaky ny fialany raha mibolila manoloana ny fitakiana satria izy efa mba nanome toromarika ny depioteny sy nanamboatra ny sainy fa tamin’ny hoe ny MAPAR no nanolotra an'i Ntsay Christian, kanefa trongisin’ny etsy an-kianja sahady ity praiminisitra ity. Raha mitombina io, dia manomboka manahirana azy izany ny firaisankinan’ny depiote. Mandeha ny feo fa maniry mafy ny hampitsaharana amin’izay ny tolona ny filohan’ny tetezamita teo aloha. Depiote miisa 3 avy amin’ny MAPAR ihany koa amin’izao no re siosio fa tsy mahazo miditra eny amin’ny Arena Ivandry nanomboka omaly vokatry ny tsy fitovian-kevitra amin’ny mety ho baiko hanatsaharana ny tolona. Andrasana ny vaovao ofisialy momba io resaka io.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

Hijery ny tohiny
FTT