Nitohy toy ny mahazatra ny tolona eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Ho an’ny omaly, dia nivoitra ny fanaovana tatitra momba ny fihaonana teo amin'ny depiote ho an'ny fanovana sy ny praiminisitra Ntsay Christian ny takarivan’ny alarobia,
ka nitondra ny fanazavana tamin’izany ny filohan’ny antenimieram-pirenena Hanitra Razafimanantsoa. Notantarainay taminy, hoy izy, ny tantaran'ity tolona ity hatrany amin'ny 2014 mandrak'ankehitriny. Ara-drariny ity tolona ity, ny tolona nataonay no naha praiminisitra anao, koa tokony hanaraka izay tenin'ny depiote 73 ny praiminisitra, ka manana tamberin’andraikitra amin'ny tolon'ny fanovana izy. Ny resaka fitsinjara-toerana, dia tsotra ny tenin'ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, fa ny HCC no namoaka ny didy, ka zaraina araka ny tanjaka ara-politika ao amin'ny antenimieram-pirenena ny toerana araka ny didy navoakan'ny CES tamin'ny febroary 2014. Ny praiminisitra no marimaritra iraisana fa ny governemanta kosa dia tsy maintsy manaraka io didy io, raha ny fanazavany. Raha tsy nitaky ny "miala Rajao" tsy nisy izany Ntsay Christian izany, hoy izy, ka raha vao mampiditra HVM ao anaty governemanta dia manitsakitsaka ny didin'ny HCC. Mandeha anefa ny resaka amin’izao fa mbola hajanona ho minisitry ny atitany ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, ary torak’izany ihany koa ny minisitry ny fanabeazana Paul Rabary. Misy amin’ireo depiote HVM nalaza tamin’ny kolikoly ihany koa no re fa nandefa dosie any amin’ny praiminisitra, mba hotendrena minisitra. Efa nilaza kosa ny depiote fa tsy ekena ny mbola hiverenan’ireo olon’ny governemanta teo aloha, ka dia andrasana izay hiseho. Ho an’ny anio, dia hihazo eny amin’ny HCC indray ny depioten’ny fanovana sy ny loholona miisa 5 miampy ben’ny tanàna maro ary ny vahoaka raha tsy misy ny fiovana. Hangataka ny hamoahana ny valin’ny fitoriana natao izay toa adinodinon’ny HCC. Anisan’izany ny fitakiana ny hanonganana ireo depiote namadika palitao. Tonga maro hatrany ny sendika samihafa sy ny vahoaka. Nanome toky ny praiminisitra fa hanatsahatra ny fanenjehana ireo rehetra mpitolona sendikaly ka nahazo tsindry hazo lena, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Andrasana indray izay hiseho anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.