Eo anelanelan`ny 29 aogositra hatramin`ny 24 novambra amin`ity taona ity no hanaovana ny fifidianana mialoha ny fotoana. Efa ao anatin`ny famolavolana ny tetiandro hanaovana izany ny CENI amin`izao.
Mijery ireo andinin-dalàna ity vaomiera misahana ny fifidianana ity mialoha ny hamoahana ireo daty ireo. Raha ny nambaran`ny CENI, mifantoka amin`ny zavatra roa ny famolavolana ny datim-pifidianana mba handrasana ny didim-panjakana hiantsoana ny mpifidy handatsa-bato. Voalohany, ireo didy aman-dalàna eto Madagasikara ka ao anatin`izany ny voalazan`ny fanapahana izay navoakan`ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Faharoa, ny fahavononana ara-bola sy ara-teknika eto anivon`ny CENI sy eny anivon`ny mpiara-miombon’antoka. Raha ny voalazan`ny didy aman-dalàna navoakan`ny HCC mantsy dia zavatra roa no azo tsoahana, hoy ny fanazavana hatrany. Fifidianana mialoha ny fotoana no tsy maintsy atao ary tsy maintsy alohan’ny 25 novambra. Manaraka izay, tsy maintsy ao anatin`ny toetr’andro maina raha ny voalazan`ny andininy faha-52. Mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka indray dia mandinika izany mihitsy ny CENI amin`izao. Raha ny voafaritry ny lalàna dia mialoha ny 5 febroary 2019 no tapitra ny fe-potoana iasan`ireo depiote. Tsy maintsy ireo solombavahaoka vaovao no mivory amin`ny fivoriana ara-potoana voalohany etsy Tsimbazaza mba tsy hisian`ny fahabangan’ny andrim-panjakana. Noho izany, tsy maintsy ho datim-pifidianana hahafahana mamoaka ireo ho depiote mialoha ny volana mey no hotanterahina. Tsy maintsy martsa na aprily no hanatontosana azy. Havoakan`ny CENI miaraka ho fanta-bahoaka ireo daty rehetra ireo rehefa tafatsangana tanteraka sy miasa feno ny governemanta vaovao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.