Andraikitra lehibe tsy maintsy hiantsorohan`ny governemantan`ny marimaritra iraisana ny fanatontosana ny fifidianana ao anatin`ny fotoana fohy.
Nivoaka ny zoma lasa teo ny tetiandrom-pifidianana. Tsy fantatra mazava raha miandry ny valin-tenin`ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) no hitazonana ireo daty voalazan`ny praiminisitra Ntsay Christian ireo. Mifanaraka amin`ny didy navokan`ny HCC tamin`ny 25 mey lasa teo ve ireto datim-pifidianana naroson`ny praiministra ireto ? Raha ny fanazavan`ny teo anivon`ity vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana ny ahafahana manatanteraka ny fifidianana ao anatin`ny vanim-potoana ny main-tany. Nohamafisiny fa ny daty navoakan`ny governemanta manondro ny fahafiton`ny volana novambra amin`ny fihodinana voalohany filoham-pirenena dia tafiditra sy mifanaraka amin`ny sosonkevitra navoakan`ny CENI. Mifanaraka ihany koa amin`ny didy navoakan`ny HCC satria araka ny voalazan'ny andininy faha-52 amin'ny lalàmpanorenana, dia azo atao ny manatontosa fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana. Io daty voatondro io raha mialoha ny 25 novambra no voambara ho mialoha ny fotoana sady mbola ao anatin`ny vanim-potoana maina ihany koa ny ao alohan`ny 30 novambra. Mikasika ny fihodinana faharoa kosa, nisy taratasy nalefan`ny CENI any amin`ny HCC noho ny fotoana hanatanterahana izany ao anatin`ny fotoam-pahavaratra. Ny lalàna ihany koa mametraka fa raha misy antony tsy azo hanoharana ka tsy maintsy hanatontosana fifidianana ao anatin`ny vanim-potoana fahavaratra dia manoratra any amin`ny HCC sy milaza ny antony tsy azo hanoharana ka tsy maintsy hanatontosana ny fifidianana ao anatin`io vanim-potoana io. Ao anatin`ny fanarahana ny lalàna avokoa izany ary tsy misy mampiahiahy, hoy hatrany ny fanazavana.
|
Raha tsiahivina, ny 7 novambra 1982 no nanatanterahana ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin`ny repoblika faharoa. Ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, Arema, no nifanandrina tamin`i Monja Jaona izay tao anatin`ny Tia Tanindrazana Monima. Vanim-potoanan`ny orana tokoa no nanaovana ny fampielezan-kevitra tamin`izany. Ny filoha Ratsiraka izay tao anatin`ny fahefana dia afaka nampiasa ireo fitaovam-panjakana toy ny angidimby ka afaka nitety faritra maro teto Madagasikara. Tsy afaka nanoatra noho ny tsy fitovian`ny hoenti-manana tahaka i Monja Jaona. Antenaina fa hiantoka fifidianana mangarahara, eken`ny rehetra ary handraisan`ny rehetra anjara ity governemanta Ntsay Louis Chrisitian ity.
|
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.